forked from WA-Catalog/plt_tn
32 lines
1.3 KiB
Markdown
32 lines
1.3 KiB
Markdown
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
|
|
|
|
Eto i Jesosy dia manomboka manazava ny fanoharana momba ireo mpanompo mpikomy.
|
|
|
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Mamerina ny tenin'Isaia mpaminany i Jesosy mba hampisehoana fa homen'Andriamanitra voninahitra ilay iray izay nolavin'ireo mpitarika fivavahana.
|
|
|
|
# Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe
|
|
|
|
Tsy mazava hoe iza no hanontanian'i Jesosy ity fanontaniana manaraka ity. Raha mila ataonao mazava tsara hoe iza "izy ireo," dia ataovy araka ny nataonao tao amin'ny 21:40.
|
|
|
|
# Tsy mbola namaky ny Soratra Masina mihitsy va ianareo hoe
|
|
|
|
Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampihevitra ireo mpihaino tsara ny dikan'io soratra masina io. DH: "Hevero tsara izay novakianareo"
|
|
|
|
# Ny vato nolavin'ny mpanori-trano no natao vato fehizoro
|
|
|
|
Mamerina teny avy ao amin'ny Salamo i Jesosy. Io dia sarin-teny izay midika fa handà an'i Jesosy, tahaka ny mpanori-trano ireo mpitarika fivavahana, saingy ho ataon'Andriamanitra lehibe indrindra ao amin'ny fanjakany, tahaka ny fato-fehizoron'ny fanorenana Izy.
|
|
|
|
# natao vato fehizoro
|
|
|
|
Azo atao hoe DH: "lasa vato fehizoro"
|
|
|
|
# Avy tamin'ny Tompo izany
|
|
|
|
"Ny Tompo no nahatonga izany fiovana lehibe izany"
|
|
|
|
# ary mahatalanjona eo imasontsika
|
|
|
|
Eto ny hoe "eo imasontsika" dia ilazana ny fahitana. DH: "mahafinaritra jerena"
|