plt_tn/mat/21/42.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Eto i Jesosy dia manomboka manazava ny fanoharana momba ireo mpanompo mpikomy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mamerina ny tenin'Isaia mpaminany i Jesosy mba hampisehoana fa homen'Andriamanitra voninahitra ilay iray izay nolavin'ireo mpitarika fivavahana.

Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe

Tsy mazava hoe iza no hanontanian'i Jesosy ity fanontaniana manaraka ity. Raha mila ataonao mazava tsara hoe iza "izy ireo," dia ataovy araka ny nataonao tao amin'ny 21:40.

Tsy mbola namaky ny Soratra Masina mihitsy va ianareo hoe

Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampihevitra ireo mpihaino tsara ny dikan'io soratra masina io. DH: "Hevero tsara izay novakianareo"

Ny vato nolavin'ny mpanori-trano no natao vato fehizoro

Mamerina teny avy ao amin'ny Salamo i Jesosy. Io dia sarin-teny izay midika fa handà an'i Jesosy, tahaka ny mpanori-trano ireo mpitarika fivavahana, saingy ho ataon'Andriamanitra lehibe indrindra ao amin'ny fanjakany, tahaka ny fato-fehizoron'ny fanorenana Izy.

natao vato fehizoro

Azo atao hoe DH: "lasa vato fehizoro"

Avy tamin'ny Tompo izany

"Ny Tompo no nahatonga izany fiovana lehibe izany"

ary mahatalanjona eo imasontsika

Eto ny hoe "eo imasontsika" dia ilazana ny fahitana. DH: "mahafinaritra jerena"