plt_tn/mat/21/04.md

28 lines
973 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Eto ny mpanoratra dia mamerina ny tenin'i Zakaria mba hampisehoana fa tanterak'i Jesosy ny faminaniana tamin'ny nitaingenany boriky tao Jerosalema.
# Ary
Io teny io dia ampiasaina mba hanamarihana fiatoana ao amin'ny fizotry ny tantara. Eto i Matio dia manazava ny nahatanterahan'ny asan'i Jesosy ny soratra Masina.
# mba hahatanteraka izay nambara tamin'ny alalan'ny mpaminany
Azo atao hoe DH: "niseho izany mba hahatanterahan'i Jesosy izay nolazain'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany hatry ny ela"
# tamin'ny alalan'ny mpaminany
Azo atao mazava hoe mpaminany iza no nilaza izany. DH: "tamin'ny alalan'i Zakaria mpaminany"
# ny zanaka vavin'i Ziona
Ny "zanaka vavy" ny tanàna iray dia midika hoe olon'ny tanàna. DH: "ireo olon'i Ziona" na "ireo olona izay monina ao Ziona"
# Ziona
Anaran'i Jerosalema iray hafa io.
# boriky- zana-boriky lahy
Manazava io teny io fa mbola tanora ilay biby - boriky lahy, tanora