# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Eto ny mpanoratra dia mamerina ny tenin'i Zakaria mba hampisehoana fa tanterak'i Jesosy ny faminaniana tamin'ny nitaingenany boriky tao Jerosalema. # Ary Io teny io dia ampiasaina mba hanamarihana fiatoana ao amin'ny fizotry ny tantara. Eto i Matio dia manazava ny nahatanterahan'ny asan'i Jesosy ny soratra Masina. # mba hahatanteraka izay nambara tamin'ny alalan'ny mpaminany Azo atao hoe DH: "niseho izany mba hahatanterahan'i Jesosy izay nolazain'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany hatry ny ela" # tamin'ny alalan'ny mpaminany Azo atao mazava hoe mpaminany iza no nilaza izany. DH: "tamin'ny alalan'i Zakaria mpaminany" # ny zanaka vavin'i Ziona Ny "zanaka vavy" ny tanàna iray dia midika hoe olon'ny tanàna. DH: "ireo olon'i Ziona" na "ireo olona izay monina ao Ziona" # Ziona Anaran'i Jerosalema iray hafa io. # boriky- zana-boriky lahy Manazava io teny io fa mbola tanora ilay biby - boriky lahy, tanora