plt_tn/mat/16/24.md

1.6 KiB

hanaraka Ahy

Ny manaraka an'i Jesosy eto dia midika hoe mpianany. DH: "ho mpianatro" na "ho isan'ny mpianatro"

mandà ny tenany izy

"tsy maintsy mandà ny filàny" na "tsy maintsy mahafoy ireo filàny"

hitondra ny hazofijaliany

"milanja ny hazofijaliany ary manaraka Ahy." Maneho fahoriana sy fahafatesana eto ny hazofijaliana. Ny fitondrana ny hazofijaliana eto dia midika fahavononana ny hijaly sy ho faty. DH: "tsy maintsy mankatoa Ahy na dia ho amin'ny fijaliana sy fahafatesana aza"

manaraka Ahy

Ny fanarahana an'i Jesosy eto dia maneho fankatoavana Azy. DH: "mankatoa Ahy"

Fa na iza na iza te

"Fa izay rehetra te"

hahavery azy

Tsy midika akory izany fa voatery ho faty ilay olona. Io dia sarin-teny izay midika fa ho raisin'ilay olona ho lehibe kokoa noho ny ainy ny fanarahan-dia an'i Jesosy.

nohon'ny amiko

"satria matoky ahy izy"

hahazo izany

Io dia sarin-teny izay midika fa hiaina fiainana ara-panahy miaraka amin'Andriamanitra ilay olona. DH: "hahita fiainana tena izy"

Fa inona moa no soa ho azon'ny olona ... ny ainy?

Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampianarana ireo mpianany. DH: "tsy misy tombontsoa azon'ny olona ... ny ainy"

mahazo izao tontolo izao

Mampiasa filaza-masaka i Jesosy mba hanindriana fa tsy misy na inona na inona eto amin'izao tontolo izao izay sarobidy noho ny fananana tena fiainana miaraka amin'Andriamanitra. DH: "raha azony ny zavatra rehetra eto amin'izao tontolo izao"

Inona no omen'ny olona ho takalon'ny ainy?

Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hampianarana ireo mpianany. DH: "Tsy misy na inona na inona azon'ny olona omena hahazoany ny ainy indray"