plt_tn/mat/14/03.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Eto dia manomboka mitantara ny amin'ny fomba namonoan'i Heroda an'i Jaona Mpanao Batisa ny mpanoratra. Ireto tranga ireto dia niseho taloha kelin'ireo tranga tao amin'ny andininy teo aloha.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mamerina milaza ny tantaran'ny nahafatesan'i Jaona Mpanao Batisa ny mpanoratra mba hampisehoana hoe nahoana no nanao fihetsika tahaka izany i Heroda rehefa nandre momba an'i Jesosy.

Heroda nisambotra an'i Jaona, namatotra azy, ary nandefa azy tany an-trano maizina

Io dia milaza fa nanao izany i Heroda satria izy no nibaiko olon-kafa hanao ireo zavatra ireo ho azy. DH: "Nibaiko ireo miaramilany i Heroda mba hisambotra sy hamatotra an'i Jaona Mpanao Batisa ary handefa azy ho any an-trano maizina"

vadin'i Filipo

Filipo no anaran'ny rahalahin'i Heroda.

Fa hoy Jaona taminy hoe: "Tsy ara-dalana ho anao ny manana azy ho vadinao."

Azo adika tsy mivantana io teny io raha ilaina. DH: "Fa i Jaona niteny taminy fa tsy ara-dalàna ho azy ny maka azy ho vadiny"

Fa hoy Jaona taminy hoe

"Fa i Jaona nilaza taminy hatrany hatrany hoe"

tsy ara-dalana

Mbola velona i Filipo tamin'ny nanambadian'i Heroda an'i Herodiasy.

natahotra

"Heroda natahotra"

noraisin'izy ireo

"izy ireo dia nandray an'i Jaona ho"