plt_tn/mat/11/09.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy miresaka momba an'i Jaona Mpanao Batisa amin'ireo vahoaka i Jesosy.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ao amin'ny adininy faha 10, manambara ny tenin'i Malakia mpaminany i Jesosy mba hampisehoana fa ny fiainana sy ny asa fanompoan'i Jaona Mpanao Batisa dia nahatantreraka ny faminaniana.

Nefa hijery inona no nivoahanareo -mpaminany

Mampiasa fanontaniana i Jesosy mba hieritreretan'ny olona hoe karazan'olona manao ahoana i Jaona Mpanao Batisa. DH: "Ary tsy nandeha nankany an'efitra hijery mpaminany mihitsy ianareo!"

mihoatra lavitra noho ny mpaminany

Azo adika amina fehezanteny feno io. DH: "tsy mpaminany toy ny mahazatra izy" na "lehibe mihoatra noho ny mpaminany mahazatra izy"

Izy ilay nanoratana hoe

Azo adika hoe DH: "Izao no nosoratan'i Malakia mpaminany hatry ny ela momba an'i Jaona Mpanao Batisa"

maniraka ny irako ... Aho

Ny mpisolotena "aho" sy ny tampisaka "-ko" dia manondro an'Andriamanitra. Manambara izay nolazain'Andriamanitra i Malakia.

hialoha ny tavanao

Eto ny hoe "-nao" dia manondro olona tokana, satria miresaka amin'ny Mesia Andriamanitra ao amin'ny teny io. Ary koa, ny "tava" dia ilazana ilay olona manontolo. DH: "eo anoloanao" na "mba handeha hialoha anao"

hanomana ny làlanareo mialoha anareo

Io dia sarin-teny izay midika fa hanomana ireo olona mba handray ny hafatry ny Mesia ilay iraka.