plt_tn/mat/10/26.md

1.8 KiB

fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mampianatra ireo mpianany i Jesosy, momba ny fanenjehana izay mety hiaretan'izy ireo rehefa mandeha mitory.

aza matahotra azy ireo

Eto ny hoe "azy ireo" dia manondro ireo olona mampijaly ny mpanaradia an'i Jesosy.

fa tsy hisy takona izay tsy hiseho, ary zava-miafina izay tsy ho fantatra

Ireo teny anankiroa ireo dia mitovy dika. Manindry mafy i Jesosy fa hataon'Andriamanitra fantatra ny zavatra rehetra. Azo adika hoe DH: "Hasehon'Andriamanitra ireo zavatra izay afenin'ny olona"

Izay lazaiko anareo ao amin'ny haizina, dia teneno amin'ny andro mazava, ary izay bitsibitsika renareo amin'ny sofinareo, dia torio eny ambony tampon-trano

Ireo teny roa ireo dia samy mitovy hevitra. Manindry mafy i Jesosy fa tokony ho lazain'ireo mpianatra amin'olon-drehetra izay lazainy amin'ireo mpianatra any amin'ny mangingina. DH: "lazao amin'olona amin'ny fahazavan'ny andro izay lazaiko aminareo ao amin'ny aizina, ary torio eny an-tampon-trano izay renareo moramora ao an-tsofianareo"

Izay lazaiko anareo ao amin'ny haizina

Eto ny "aizina" dia midika hoe any amin'ny mangingina." DH: "Izay lazaiko mangingina aminareo" na "Ireo zavatra lazaiko aminareo mangingina"

teneno amin'ny andro mazava

Eto ny "andro mazava" dia midika hoe "ampahibemaso." DH: "lazao malalaka" na "lazao ampahibemaso''

izay bitsibitsika renareo amin'ny sofinareo

Fomba ilazana ny fibitsibitsihana io. DH: "Izay bitsibitsihiko aminareo"

torio eny ambony tampon-trano

Ny tampon-trano izay nipetrahan'i Jesosy dia mahitsy, ary afaka nandre izay olona miteny mafy eo ny olona avy any alavitra be. Eto ny ''tampon-trano'' dia ilazana izay toerana rehetra ahafahan'ny vahoaka rehetra mandre. DH: "mitenena mafy eny amin'ny toeram-pokonolona mba handrenesan'ny rehetra"