plt_tn/mat/10/14.md

36 lines
1.2 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manohy manome toro-marika ireo mpianany i Jesosy momba izay tokony hataon'izy ireo rehefa mandeha mitory.
# Ho an'ireo izay tsy mandray anareo na tsy mihaino
"Raha tsy misy olona mandray na mihaino ao amin'izany trano izany"
# mihaino ny teninareo
Eto ny "teny" dia maneho izay lazain'ireo mpianatra. DH: "mihaino ny hafatrareo" na "mihaino izay tokony ho lazainareo"
# tanàn-dehibe
Tokony hadikanao araka ny nandikanao azy tao amin'ny toko 10:1 io.
# ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo
"ahintsano hiala amin'ny tongotrareo ny vovoka rehefa miala ianareo." Famantarana izany fa nolavin'Andriamanitra ireo olona avy ao amin'izany trano na tanàna izany.
# Lazaiko marina aminareo
"Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.
# ho azo leferina kokoa
"ho kely kokoa ny fahoriana''
# tanin'i Sodoma sy Gomora
Manondro ireo olona nonina tao Sodoma sy Gomora io. DH: "ireo olona izay nonina tao Sodoma sy Gomora"
# izany tanàn-dehibe izany
Manondro ireo olona ao amin'ny tanàna izay tsy mandray ireo apostoly na mihaino ny hafatr'izy ireo io. DH: "ireo olon'ny tanàna izay tsy mandray anareo"