plt_tn/mat/10/14.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy manome toro-marika ireo mpianany i Jesosy momba izay tokony hataon'izy ireo rehefa mandeha mitory.

Ho an'ireo izay tsy mandray anareo na tsy mihaino

"Raha tsy misy olona mandray na mihaino ao amin'izany trano izany"

mihaino ny teninareo

Eto ny "teny" dia maneho izay lazain'ireo mpianatra. DH: "mihaino ny hafatrareo" na "mihaino izay tokony ho lazainareo"

tanàn-dehibe

Tokony hadikanao araka ny nandikanao azy tao amin'ny toko 10:1 io.

ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo

"ahintsano hiala amin'ny tongotrareo ny vovoka rehefa miala ianareo." Famantarana izany fa nolavin'Andriamanitra ireo olona avy ao amin'izany trano na tanàna izany.

Lazaiko marina aminareo

"Milaza ny marina aminareo Aho." Manindry izay ho lazain'i Jesosy manaraka io fehezanteny io.

ho azo leferina kokoa

"ho kely kokoa ny fahoriana''

tanin'i Sodoma sy Gomora

Manondro ireo olona nonina tao Sodoma sy Gomora io. DH: "ireo olona izay nonina tao Sodoma sy Gomora"

izany tanàn-dehibe izany

Manondro ireo olona ao amin'ny tanàna izay tsy mandray ireo apostoly na mihaino ny hafatr'izy ireo io. DH: "ireo olon'ny tanàna izay tsy mandray anareo"