plt_tn/mat/09/27.md

926 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ity indray no manomboka ny tantaran'i Jesosy nanasitrana lehilahy jamba anankiroa.

Ary raha niala teo Jesosy

Raha nandao ny faritra i Jesosy

niala teo

"nandao" na "nandeha"

nanaraka Azy

Midika izany fa nanaraka avy ao aoriana izy ireo, fa tsy voatery hoe lasa mpianany akory.

Mamindrà fo aminay

Ny hevitra fonosin'izany dia hoe tian'izy ireo i Jesosy mba hanasitrana azy ireo.

zanak'i Davida

Tsy zanak'i Davida ara-bakiteny akory i Jesosy, koa azo adika hoe "taranak'i Davida" io. Na izany aza, ny hoe "zanak'i Davida" ihany koa dia fiantsoana ny Mesia, ary mety niantso an'i Jesosy araka izany fiantsoana izay ireo lehilahy.

Rehefa tonga tao an-trano Jesosy

Mety ho tranon'i Jesosy io na ilay trano tao amin'ny 9:10.

Eny, Tompo

Tsy feno tsara ny valin-tenin'izy ireo, saingy efa fantatra izany. DH: "Eny, ry Tompo, mino izahay fa afaka manasitrana anay Ianao"