plt_tn/mat/09/27.md

32 lines
926 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:22:03 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Ity indray no manomboka ny tantaran'i Jesosy nanasitrana lehilahy jamba anankiroa.
# Ary raha niala teo Jesosy
Raha nandao ny faritra i Jesosy
# niala teo
"nandao" na "nandeha"
# nanaraka Azy
Midika izany fa nanaraka avy ao aoriana izy ireo, fa tsy voatery hoe lasa mpianany akory.
# Mamindrà fo aminay
Ny hevitra fonosin'izany dia hoe tian'izy ireo i Jesosy mba hanasitrana azy ireo.
# zanak'i Davida
Tsy zanak'i Davida ara-bakiteny akory i Jesosy, koa azo adika hoe "taranak'i Davida" io. Na izany aza, ny hoe "zanak'i Davida" ihany koa dia fiantsoana ny Mesia, ary mety niantso an'i Jesosy araka izany fiantsoana izay ireo lehilahy.
# Rehefa tonga tao an-trano Jesosy
Mety ho tranon'i Jesosy io na ilay trano tao amin'ny 9:10.
# Eny, Tompo
Tsy feno tsara ny valin-tenin'izy ireo, saingy efa fantatra izany. DH: "Eny, ry Tompo, mino izahay fa afaka manasitrana anay Ianao"