plt_tn/mat/09/17.md

1.2 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mamaly ny fanontaniana napetrak'ireo mpianatr'i Jaona i Jesosy.

Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta

Mampiasa ohabolana iray hafa i Jesosy mba hamaliana ireo mpianatr'i Jaona. Mitovy hevitra amin'ilay ohabolana ihany io.

Tsy misy olona manisy

"Ary tsy misy na iza na iza mandraraka" (UDB) na "Ny olona dia tsy mba manisy"

divay vaovao

Ilazana ny divay mbola tsy nialon'andro io. Raha tsy fantatra eo amin'ny faritra misy anao ny voaloboka, dia mampiasà teny ilazana voankazo amin'ny ankapobeny. DH: "ranom'boaloboka"

siny hoditra tonta

Ilazana ny siny hoditra izay efa niasa imbetsaka io.

siny hoditra

"fasiana divay" na "fasiana divay vita amin'ny hoditra." Fasiana vita avy amin'ny hoditra biby ireo.

ho triatra ny siny hoditra, ho raraka ny divay

Azo atao hoe DH: "hamotika ny siny hoditra izany ary hampiraraka ny divay"

ho potika ny siny hoditra

Rehefa mialon'andro sy mitombo ny divay vaovao, dia triatra ny siny hoditra satria tsy afaka mihitatra intsony.

siny hoditra vaovao

"fasiana divay vaovao." Ilazana ny siny hoditra izay mbola tsy nisy nampiasa io.

ho voatahiry izy roa

Azo atao hoe DH: "hiaro ny siny hoditra sy ny divay izany"