# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Manohy mamaly ny fanontaniana napetrak'ireo mpianatr'i Jaona i Jesosy. # Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta Mampiasa ohabolana iray hafa i Jesosy mba hamaliana ireo mpianatr'i Jaona. Mitovy hevitra amin'ilay ohabolana ihany io. # Tsy misy olona manisy "Ary tsy misy na iza na iza mandraraka" (UDB) na "Ny olona dia tsy mba manisy" # divay vaovao Ilazana ny divay mbola tsy nialon'andro io. Raha tsy fantatra eo amin'ny faritra misy anao ny voaloboka, dia mampiasà teny ilazana voankazo amin'ny ankapobeny. DH: "ranom'boaloboka" # siny hoditra tonta Ilazana ny siny hoditra izay efa niasa imbetsaka io. # siny hoditra "fasiana divay" na "fasiana divay vita amin'ny hoditra." Fasiana vita avy amin'ny hoditra biby ireo. # ho triatra ny siny hoditra, ho raraka ny divay Azo atao hoe DH: "hamotika ny siny hoditra izany ary hampiraraka ny divay" # ho potika ny siny hoditra Rehefa mialon'andro sy mitombo ny divay vaovao, dia triatra ny siny hoditra satria tsy afaka mihitatra intsony. # siny hoditra vaovao "fasiana divay vaovao." Ilazana ny siny hoditra izay mbola tsy nisy nampiasa io. # ho voatahiry izy roa Azo atao hoe DH: "hiaro ny siny hoditra sy ny divay izany"