plt_tn/mat/08/04.md

1.0 KiB

taminy

Manondro ilay lehilahy nositranin'i Jesosy io.

Aoka mba tsy hilaza na inona na inona na amin'iza na amin'iza

"aza miteniteny amin'iza na iza" na "aza miteny amin'iza na iza fa nositraniko ianao"

asehoy amin'ny mpisorona ny tenanao

Ny lalàn'ny Jiosy dia mitaky ny olona iray mba hamposeho ny hoditra sitrana amin'ireo mpisorona, izay hamela azy hiverina eny amin'ny fiarahamonina indray, mba hiaraka amin'ireo olona hafa.

atolory ilay fanatitra izay nodidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona amin'izy ireo

Ny lalàn'i Mosesy dia mitaky ny olona sitran'ny habokana mba hanolotra fanati-pisaorana eo amin'ny mpisorona. Rehefa neken'ny mpisorona ny fanatitra, dia ho fantatry ny olona fa sitrana ilay lehilahy. Voahilikilky ny fiarahamonina ireo boka, mandra-pisian'ny porofon'ny fahasitranan'izy ireo.

amin'izy ireo

Izany dia mety manondro 1) ireo mpisorona na 2) ny olona rehetra na 3) ireo mpitsikera an'i Jesosy. Raha azo atao, mampiasà mpisolo tena izay manondro an'ireo vondrona rehetra ireo.