plt_tn/luk/24/30.md

40 lines
1.6 KiB
Markdown

# Ary
Ity dia nampiasaina eto mba hanamarihana tranga manan-danja ao amin'ny tanatra. Raha manana fomba hanehoana izany ny fiteninao, dia ampiasao eto.
# ny mofo
Ity dia maneho ny mofo vita tsy misy lalivay. Tsy maneho ny sakafo amin'ny ankapobeny izany.
# nisaotra izany
''nanome fisaorana amin'izany'' na ''nisaotra an' Andriamanitra noho izany''
# Avy eo nisokatra ny mason'izy ireo
Ny ''mason'izy ireo'' dia maneho ny fahazoan'izy ireo. DH: ''Avy eo azon'izy ireo'' na ''avy eo fantatr'izy ireo''
# nahafantatra Azy
''fantatr'izy ireo Izy.'' Ireo mpianatra ireo dia nahafantatra Azy talohan'ny nafatesany.
# nanjavona teo imason'izy ireo Izy
Ity dia midika fa tampoka teo dia tsy teo intsony Izy. Tsy midika izany hoe lasa tsy hita maso Izy.
# Moa ve ny fontsika tsy niredareda ... ny Soratra Masina tamintsika Izy
Nampiasa fanontaniana izy ireo mba hanamafisana ny fahagagan'izy ireo tamin'ny fihaonana tamin'i Jesosy. DH: ''Ny fontsika dia niredareda tao anatintsika ... ny Soratra Masina tamintsika Izy.''
# Moa ve ny fontsika tsy niredareda tao anatintsika
Ny hamafin'ny fihetsem-po nananan'izy ireo tamin'ny niresaka tamin'i Jesosy dia resahana toy ny hoe afo mirehitra ao anatiny izy ireo. DH: ''Toa nanana fihetsem-po mafy tahaka izany isika raha niresaka tamintsika Izy''
# tao anatintsika
Nifampiresaka ireo roa lahy.
# raha nanokatra ny Soratra Masina tamintsika Izy
Jesosy tsy nanokatra boky na horonan-taratasy. Ny hoe ''nanokatra'' dia maneho ny fahazoan'izy ireo. DH: ''raha nanazava ny Soratra Masina tamintsika Izy'' na ''raha nanafaka antsika hahazo ny Soratra Masina Izy''