1.6 KiB
Ary
Ity dia nampiasaina eto mba hanamarihana tranga manan-danja ao amin'ny tanatra. Raha manana fomba hanehoana izany ny fiteninao, dia ampiasao eto.
ny mofo
Ity dia maneho ny mofo vita tsy misy lalivay. Tsy maneho ny sakafo amin'ny ankapobeny izany.
nisaotra izany
''nanome fisaorana amin'izany'' na ''nisaotra an' Andriamanitra noho izany''
Avy eo nisokatra ny mason'izy ireo
Ny ''mason'izy ireo'' dia maneho ny fahazoan'izy ireo. DH: ''Avy eo azon'izy ireo'' na ''avy eo fantatr'izy ireo''
nahafantatra Azy
''fantatr'izy ireo Izy.'' Ireo mpianatra ireo dia nahafantatra Azy talohan'ny nafatesany.
nanjavona teo imason'izy ireo Izy
Ity dia midika fa tampoka teo dia tsy teo intsony Izy. Tsy midika izany hoe lasa tsy hita maso Izy.
Moa ve ny fontsika tsy niredareda ... ny Soratra Masina tamintsika Izy
Nampiasa fanontaniana izy ireo mba hanamafisana ny fahagagan'izy ireo tamin'ny fihaonana tamin'i Jesosy. DH: ''Ny fontsika dia niredareda tao anatintsika ... ny Soratra Masina tamintsika Izy.''
Moa ve ny fontsika tsy niredareda tao anatintsika
Ny hamafin'ny fihetsem-po nananan'izy ireo tamin'ny niresaka tamin'i Jesosy dia resahana toy ny hoe afo mirehitra ao anatiny izy ireo. DH: ''Toa nanana fihetsem-po mafy tahaka izany isika raha niresaka tamintsika Izy''
tao anatintsika
Nifampiresaka ireo roa lahy.
raha nanokatra ny Soratra Masina tamintsika Izy
Jesosy tsy nanokatra boky na horonan-taratasy. Ny hoe ''nanokatra'' dia maneho ny fahazoan'izy ireo. DH: ''raha nanazava ny Soratra Masina tamintsika Izy'' na ''raha nanafaka antsika hahazo ny Soratra Masina Izy''