plt_tn/luk/22/19.md

1.0 KiB

mofo

Ity mofo ity dia tsy misy lalivay ao anatiny, ka fisaka izany.

notapahiny izany

Mety notapatapahiny be dia be izany na mety nozarainy roa ary nomena ireo apostoly mba hizarana izany amin'izy ireo.

Ity ny vatako

Ireo dika azo heverina: 1) ''ity nofo ity no vatako'' sy 2) ''ity mofo ity dia maneho ny vatako''

izay omena anareo

DH: ''ny vatako, izay homeko anareo'' na ''ny vatako, izay ho ataoko sorona ho anareo''

Ataovy izao

''hano ity mofo ity''

ho fahatsiarovana Ahy

''mba hahatsiarovana Ahy''

ny kapoaka

Ny teny hoe ''kapoaka'' dia maneho ny divay ao anatin'ilay kapoaka. DH: ''Ny divay ao amin'ity kapoaka ity'' na ''Ity kapoakan-divay ity''

fanekena vaovao amin'ny ràko

Ity fanekena ity dia hisy fiantraikany raha vantany vao halatsaka ny ràny. DH: ''ny fanekena vaovao hankatoavin'izy ireo amin'ny alalan'ny ràko''

ny ràko, izay narotsaka ho anareo

Jesosy niresaka ny fahafatesany tamin'ny fanehoana ny ràny halatsaka. DH: ''ny ràko, izay halatsaka amin'ny fahafatesana ho anareo''