plt_tn/luk/20/34.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy manomboka mamaly an'ireo Sadoseo.

Zanak'izao tontolo izao

''olona amin'izao fotoana izao.'' Ity dia mifanohitra amin'ireo izay any an-danitra na ny olona izay miaina aorian'ny fitsanganana amin'ny maty.

mampaka-bady sy ampakarina

Amin'izany kolontsaina izany dia miresaka ny lehilahy mampakatra vehivavy izy ireo sy ny vehivavy ampakarin'ny vadiny. DH: ''manambady''

Fa ireo izay hita amin'izao andro izao fa mendrika

DH: ''ny olona amin'izany andro izany izay ho raisin'Andriamanitra mendrika''

handray ny fitsanganana amin'ny maty

''ho hatsangana amin'ny maty'' na ''hitsangana amin'ny maty''

tsy hampaka-bady na hampakarina

Amin'izany kolontsaina izany dia miresaka ny lehilahy mampakatra vehivavy izy ireo sy ny vehivavy hampakarin'ny vadiny.DH: ''tsy hanambady'' na ''tsy hivady.'' Ity dia aorian'ny fitsanganana amin'ny maty.

tsy ho faty intsony izy ireo

Ity dia aorian'ny fitsanganana amin'ny maty. DH: ''Tsy afaka ny ho faty intsony izy ireo''

ireo zanak'Andriamanitra, izay zanaky ny fitsanganana amin'ny maty

''dia zanak'Andriamanitra satria natsangany tamin'ny maty izy ireo''