plt_tn/luk/17/25.md

1.2 KiB

Fa voalohany dia tsy maintsy mijaly Izy

''Fa voalohany ny Zanak'Olona dia tsy maintsy mijaly.'' Jesosy miresaka momban'ny tenany ihany.

ho lavin'ity taranaka ity

DH: ''ny olon'ity taranaka ity dia tsy maintsy handà Azy''

Tahaka izay nitranga tamin'ny andron'i Noah

Ny ''andron'i Noah'' dia maneho ny fotoana nandritry ny fiainan'i Noah talohan'ny nanafaizan'Andriamanitra ny olona teto amin'izao tontolo izao. DH: ''Tahaka ny nataon'ny olona tamin'ny andron'i Noah''

no hiseho koa amin'ny andron'ny Zanak'Olona

Ny ''andron'ny Zanak'Olona'' dia maneho ny fotoana mialohan'ny hatongavan'ny Zanak'Olona. DH: ''hitovy ny zavatra ataon'ny olona amin'ny andron'ny Zanak'Olona'' na ''Hitovy ny zavatra ho aton'ny olona rehefa ho avy ny Zanak'Olona''

Nihinana izy ireo, nisotro, nanambady, natolotra ho ampakarina

Nanao zavatra fanao isan'andro ny olona. Tsy fantatr'izy ireo na norarahian'izy ireo fa andalam-pitsarana azy ireo Andriamanitra.

natolotra ho ampakarina

DH: ''ireo ray aman-dreny dia namela ny zanaka vavin'izy ireo hanambady lehilahy''

sambofiara

''sambo''

nandringana azy rehetra

Tsy ao anatin'izany Noah sy ny fianakaviany izay tao anaty arka. DH: ''nandringana ireo rehetra tsy tao anaty sambo''