plt_tn/luk/17/25.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fa voalohany dia tsy maintsy mijaly Izy
''Fa voalohany ny Zanak'Olona dia tsy maintsy mijaly.'' Jesosy miresaka momban'ny tenany ihany.
# ho lavin'ity taranaka ity
DH: ''ny olon'ity taranaka ity dia tsy maintsy handà Azy''
# Tahaka izay nitranga tamin'ny andron'i Noah
Ny ''andron'i Noah'' dia maneho ny fotoana nandritry ny fiainan'i Noah talohan'ny nanafaizan'Andriamanitra ny olona teto amin'izao tontolo izao. DH: ''Tahaka ny nataon'ny olona tamin'ny andron'i Noah''
# no hiseho koa amin'ny andron'ny Zanak'Olona
Ny ''andron'ny Zanak'Olona'' dia maneho ny fotoana mialohan'ny hatongavan'ny Zanak'Olona. DH: ''hitovy ny zavatra ataon'ny olona amin'ny andron'ny Zanak'Olona'' na ''Hitovy ny zavatra ho aton'ny olona rehefa ho avy ny Zanak'Olona''
# Nihinana izy ireo, nisotro, nanambady, natolotra ho ampakarina
Nanao zavatra fanao isan'andro ny olona. Tsy fantatr'izy ireo na norarahian'izy ireo fa andalam-pitsarana azy ireo Andriamanitra.
# natolotra ho ampakarina
DH: ''ireo ray aman-dreny dia namela ny zanaka vavin'izy ireo hanambady lehilahy''
# sambofiara
''sambo''
# nandringana azy rehetra
Tsy ao anatin'izany Noah sy ny fianakaviany izay tao anaty arka. DH: ''nandringana ireo rehetra tsy tao anaty sambo''