plt_tn/luk/17/22.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy manomboka mampianatra ireo mpianany.

Avy ny andro

Ny hevitry ny hoe avy ny andro dia maneho zavatra hitranga tsy ho ela. DH: ''Tsy hoe ela''

hanirianareo ny hahita

''ianareo dia maniry fatratra ny hahita" na ''ianareo dia maniry te-hiaina''

iray amin'ny andron'ny Zanak'Olona

Ity dia maneho ny fanjakan'Andriamanitra. DH: ''iray amin'ireo andro izay hanapahan'ny Zanak'Olona tahaka ny mpanjaka''

ny Zanak'Olona

Ny tenany ihany no ambaran'i jesosy.

fa tsy hahita izany ianareo

''tsy hiaina izany ianareo''

Jereo, ery! Jereo, ety!

Ity dia maneho ny fitadiavana ny Mesia. DH: ''Jereo, ery ilay Mesia! Eto izy!''

aza mivoaka na manenjika azy ireo

DH: ''aza mijery izany miaraka amin'izy ireo''

fa tahaka ny tselatra mamiratra manazava

Ny fihavian'ny Zanak'Olona dia hazava sy tampoka, toy ny fisohon'ny tselatra. DH: ''fa tahaka ny tselatra hitan'ny rehetra rehefa miseho sy'' na ''fa tahaka ny tselatra miseho tampoka''

dia toy izany koa ny Zanak'Olona amin'ny androny

Ity dia maneho ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny ho avy. DH: ''ho toy izany amin'ny andro rehefa avy hanjaka ny Zanak'Olona''