plt_tn/luk/04/38.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy dia mbola ao Kapernaomy, fa amin'izao Izy ao amin'ny tranon'i Simona, izay nanasitranany ny rafozam-bavin'i Simona sy olona maro.

rafozam-bavin'i Simona

rafozana ''renin'ny vadin'i Simona"

nampijalian'ny

Ity fomba fiteny ity dia midika hoe: "narary mafin'ny"

tazo mahery

"nafana be ny hodiny"

niangavy taminy ho azy ireo

Ity dia midika fa nangataka tamin'i Jesosy izy ireo mba hanasitrana azy amin'ny tazony. DH: "nangataka an'i Jesosy mba hanasitrana azy amin'ilay tazo" na "nangataka an'i Jesosy mba hanasitrana ny tazony"

Ka nijoro Izy

Ny teny hoe "ka" dia manazava tsara fa nanao izany Izy satria niangavy taminy ho an'ny rafozam-bavin'i Simona ny olona.

nijoro teo anoloany

"nanatona azy ary niankina taminy"

niteny mafy ny tazo

"niteny mafy tamin'ilay tazo" na "nandidy ilay tazo mba hiala aminy" Mety hanampy ny filazana izay nasainy nataon'ilay tazo. DH: "nibaiko fa tokony ho lasa tsara ny hodiny" na "nibaiko ilay aretina mba hiala aminy"

nanomboka nanompo azy ireo

Eto izany dia midika fa nanomboka nanomana sakafo ho an'i Jesosy sy ireo olona hafa tao an-trano izy.