# Fampifandraisana ny foto-kevitra Jesosy dia mbola ao Kapernaomy, fa amin'izao Izy ao amin'ny tranon'i Simona, izay nanasitranany ny rafozam-bavin'i Simona sy olona maro. # rafozam-bavin'i Simona rafozana ''renin'ny vadin'i Simona" # nampijalian'ny Ity fomba fiteny ity dia midika hoe: "narary mafin'ny" # tazo mahery "nafana be ny hodiny" # niangavy taminy ho azy ireo Ity dia midika fa nangataka tamin'i Jesosy izy ireo mba hanasitrana azy amin'ny tazony. DH: "nangataka an'i Jesosy mba hanasitrana azy amin'ilay tazo" na "nangataka an'i Jesosy mba hanasitrana ny tazony" # Ka nijoro Izy Ny teny hoe "ka" dia manazava tsara fa nanao izany Izy satria niangavy taminy ho an'ny rafozam-bavin'i Simona ny olona. # nijoro teo anoloany "nanatona azy ary niankina taminy" # niteny mafy ny tazo "niteny mafy tamin'ilay tazo" na "nandidy ilay tazo mba hiala aminy" Mety hanampy ny filazana izay nasainy nataon'ilay tazo. DH: "nibaiko fa tokony ho lasa tsara ny hodiny" na "nibaiko ilay aretina mba hiala aminy" # nanomboka nanompo azy ireo Eto izany dia midika fa nanomboka nanomana sakafo ho an'i Jesosy sy ireo olona hafa tao an-trano izy.