plt_tn/luk/02/36.md

32 lines
1.1 KiB
Markdown

# Nisy mpaminany vavy antsoina hoe Ana teo
Ity dia mampiditra mpandray anjara vaovao ao amin'ny tantara.
# Fanoela
ny "Fanoela" dia ilay anarana lehilahy iray
# taorian'ny naha-virjiny azy
"taorian'ny nanambadiany azy"
# mpitondra tena nandritry ny efatra amby valopolo taona
Ireo dikateny azo atao: 1) izy dia mpitondra tena nandritry ny 84 taona na hoe 2) izy dia mpitondra tena ary 84 taona izy amin'izao.
# tsy nandao ny tempoly mihintsy
Ity dia mety fanatomboana resaka fotsiny izay midika fa nitoetra matetika tao an-tempoly izy ka lasa ohatran'ny hoe tsy nivoaka tao mihintsy izy. DH: "tao an-tempoly foana" na hoe "tao an-tempoly matetika"
# tamin'ny fifadian-kanina sy vavaka
"tamin'ny alalan'ny fifadian-tsakafo tamin'ny fotoana maro sy tamin'ny alalan'ny fanolorana vavaka maro"
# nanatona akaiky azy ireo
"nanakaiky azy ireo" na "nankany amin'i Maria sy Josefa"
# ny fanavotana an'i Jerosalema
Eto ny teny hoe "fanavotana" dia nampiasaina hanehoana ilay olona izay hanao izany. DH: "ilay iray izay hanavotra an'i Jerosalema" na "ilay olona izay hitondra ny tso-dranon'Andriamanitra sy hamerina ny sitraka ho an'i Jerosalema.