forked from WA-Catalog/plt_tn
20 lines
1.1 KiB
Markdown
20 lines
1.1 KiB
Markdown
# ny fandehanana manohitra Ahy
|
|
|
|
Ny fandehanana dia mampiseho fitondrantena. Ny fandehanana manohitra an'Andriamanitra dia mampiseho ny fanoherana Azy na fikomiana manohitra Azy. DH: "manohitra Ahy" na "mikomy manohitra Ahy"
|
|
|
|
# hivadika amin'izy ireo
|
|
|
|
Io dia mampiseho ny fanoherana azy ireo" DH: "hanohitra azy ireo"
|
|
|
|
# raha mietry ny fo tsy voaforan'izy ireo
|
|
|
|
Eto, ny fiteny "fo tsy voafora" dia manondro ny olona iray manontolo. DH: "raha manetry tena izy ireo fa tsy maniratsira amim-pahamafisan-doha"
|
|
|
|
# dia hotsaroiko ny fanekeko niaraka tamin'i Jakoba, ny fanekeko niaraka tamin'i Isaka, ary ny fanekeko niaraka tamin'i Abrahama
|
|
|
|
Ny "tsarovana" dia fiteny izay midika hoe "tadidiana hatrany." Eto izany dia mampiseho ny fanatanterahana ny fanekeny. DH: "ary dia ho tanterahiko ny fanekena izay nataony tamin'i Jakoba, Isaka, ary i Abrahama"
|
|
|
|
# hotsaroiko ihany koa ny tany
|
|
|
|
Ny "tsarovana" dia fiteny izay midika hoe "tadidiana hatrany." Eto izany dia mampiseho ny fanatanterahana ny fampanantenany ny amin'ny tany. DH: "Hanatanteraka ny fampanantenako ny amin'ny tany Aho."
|