# ny fandehanana manohitra Ahy Ny fandehanana dia mampiseho fitondrantena. Ny fandehanana manohitra an'Andriamanitra dia mampiseho ny fanoherana Azy na fikomiana manohitra Azy. DH: "manohitra Ahy" na "mikomy manohitra Ahy" # hivadika amin'izy ireo Io dia mampiseho ny fanoherana azy ireo" DH: "hanohitra azy ireo" # raha mietry ny fo tsy voaforan'izy ireo Eto, ny fiteny "fo tsy voafora" dia manondro ny olona iray manontolo. DH: "raha manetry tena izy ireo fa tsy maniratsira amim-pahamafisan-doha" # dia hotsaroiko ny fanekeko niaraka tamin'i Jakoba, ny fanekeko niaraka tamin'i Isaka, ary ny fanekeko niaraka tamin'i Abrahama Ny "tsarovana" dia fiteny izay midika hoe "tadidiana hatrany." Eto izany dia mampiseho ny fanatanterahana ny fanekeny. DH: "ary dia ho tanterahiko ny fanekena izay nataony tamin'i Jakoba, Isaka, ary i Abrahama" # hotsaroiko ihany koa ny tany Ny "tsarovana" dia fiteny izay midika hoe "tadidiana hatrany." Eto izany dia mampiseho ny fanatanterahana ny fampanantenany ny amin'ny tany. DH: "Hanatanteraka ny fampanantenako ny amin'ny tany Aho."