plt_tn/lev/26/37.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Yaveh dia manohy ny fanoritsoritany izay hitranga amin'ireo Israelita rehefa terena handeha any amin'ny tanànan'ireo fahavalony izy ireo.

tahaka ny hoe mandosi-tsabatra ianareo

Ny sabatra dia mampiseho ny olona izay vonona ny hamono amin-tsabatra na ny fanafihana ataon'ny tafiky ny fahavalo. DH: "toy ny hoe mitsoaka mandositra ny olona izay mihaza anareo amin-tsabatra ianareo" na "toy ny hoe mitsoaka mandositra ny tafiky ny fahavalo ianareo"

hitsanganana manoloana ireo fahavalonareo ianareo

Ny fitsanganana eo anoloan'ny fahavalo dia mampiseho ny tsy fahalavoana rehefa manafika na miady manohitra azy ireo ny fahavalo. DH: "hanoherana ny fahavaloneo rehefa manafika anareo izy" na "hiadiana hanoherana ireo fahavalo"

ary handrapaka anareo ireo tanin'ny fahavalonareo

Yaveh dia miresaka ny amin'ny tanin'ny fahavalo toy ny hoe bibi-dia izay hihinana ireo Israelita. Ny teny "mandrapaka" dia manamafy fa maro amin'ireo Israelita no ho faty ao. DH: "ho faty ao amin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo"

Ireo izay sisa tavela aminareo

"ireo izay tsy maty taminareo"

ho very ao anatin'ny fahotan'izy ireo

Ny fahaverezana ao anatin'ny fahotan'izy ireo dia mampiseho ny fahaverezany nohon'ny fahotany.