# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny: Yaveh dia manohy ny fanoritsoritany izay hitranga amin'ireo Israelita rehefa terena handeha any amin'ny tanĂ nan'ireo fahavalony izy ireo. # tahaka ny hoe mandosi-tsabatra ianareo Ny sabatra dia mampiseho ny olona izay vonona ny hamono amin-tsabatra na ny fanafihana ataon'ny tafiky ny fahavalo. DH: "toy ny hoe mitsoaka mandositra ny olona izay mihaza anareo amin-tsabatra ianareo" na "toy ny hoe mitsoaka mandositra ny tafiky ny fahavalo ianareo" # hitsanganana manoloana ireo fahavalonareo ianareo Ny fitsanganana eo anoloan'ny fahavalo dia mampiseho ny tsy fahalavoana rehefa manafika na miady manohitra azy ireo ny fahavalo. DH: "hanoherana ny fahavaloneo rehefa manafika anareo izy" na "hiadiana hanoherana ireo fahavalo" # ary handrapaka anareo ireo tanin'ny fahavalonareo Yaveh dia miresaka ny amin'ny tanin'ny fahavalo toy ny hoe bibi-dia izay hihinana ireo Israelita. Ny teny "mandrapaka" dia manamafy fa maro amin'ireo Israelita no ho faty ao. DH: "ho faty ao amin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo" # Ireo izay sisa tavela aminareo "ireo izay tsy maty taminareo" # ho very ao anatin'ny fahotan'izy ireo Ny fahaverezana ao anatin'ny fahotan'izy ireo dia mampiseho ny fahaverezany nohon'ny fahotany.