plt_tn/lev/25/49.md

998 B

ka hatramin'ny taonan'ny Jobily

Ny Israelita iray dia mety ho andevo mandra-pahatongan'ny taonan'ny Jobily ihany. Ireo toromarika ireo arahin'ny Israelita iray naniry ny hiverina hividy ny fahafahany mialohan'ny taonan'ny Jobily.

ny taonan'ny Jobily

"ny taonan'ny fanarenana" na "ny taona hamerenana ny tany sy hanafahana ny andevo"

Aoka ny vidin'ny fanavotana azy ho etritreretina

DH: "Aoka izy ireo hieritreritra ny vidim-panafahana azy" na "Aoka izy ireo hieritreritra ny sanda hohefaina amin'ny vahiny mba hanafahan ny Israelita"

miaraka amin'ny taham-bidin'ny mpanompo nokaramaina

Raha niverina nividy ny fahafahany ny Israelita iray, dia hanakarama mpanompo ilay vahiny mba hanao ny asa izay tokony vitain'ilay Israelita kanefa tsy vitany. DH: "arakaraka taha hividianan'ny olona iray ny mpanompo iray"

ho an'ny isan'ny taona hanoizany miasa

"ho an'ny isan'ny taona izay tokony nanohizan'ny Israelita iray miasa saingy tsy notohizany, mandra-pahatonga ny taonan'ny Jobily"