plt_tn/lev/07/19.md

952 B

Izay hena mikasika zavatra maloto dia aoka tsy hohanina

DH: "Tsy azon'iza n'iza hanina ny hena izay mikasika amin'ny zavatra maloto"

zavatra maloto

Zavatra izay voalazan'Andriamanitra ho tsy mendrika kasihana na hohanina dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana.

Aoka ho dorana izany

DH: "Aoka ho doranao izany"

ireo olona madio

Ny olona izay ankasitrahin'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe olona madio ara-batana.

olona maloto

Ny olona izay tsy ankasitrahin'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe olona maloto ara-batana.

izany olona izany ho esorina eo amin'ny vahoakany

Ny olona voahilika tao amin'ny fiaraha-monina dia resahina toy ny hoe efa voaroaka tsy ho eo amin'ny olony, tahaka ny olona iray mandrovitra singan-damba na manapaka rantsana avy amin'ny hazo iray. DH: "izany olona izany dia tsy honina miaraka amin'ny vahoakany intsony" na "aoka hosarahinao amin'ny vahoakany izany olona izany"