# Izay hena mikasika zavatra maloto dia aoka tsy hohanina DH: "Tsy azon'iza n'iza hanina ny hena izay mikasika amin'ny zavatra maloto" # zavatra maloto Zavatra izay voalazan'Andriamanitra ho tsy mendrika kasihana na hohanina dia resahina toy ny hoe maloto ara-batana. # Aoka ho dorana izany DH: "Aoka ho doranao izany" # ireo olona madio Ny olona izay ankasitrahin'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe olona madio ara-batana. # olona maloto Ny olona izay tsy ankasitrahin'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe olona maloto ara-batana. # izany olona izany ho esorina eo amin'ny vahoakany Ny olona voahilika tao amin'ny fiaraha-monina dia resahina toy ny hoe efa voaroaka tsy ho eo amin'ny olony, tahaka ny olona iray mandrovitra singan-damba na manapaka rantsana avy amin'ny hazo iray. DH: "izany olona izany dia tsy honina miaraka amin'ny vahoakany intsony" na "aoka hosarahinao amin'ny vahoakany izany olona izany"