plt_tn/jud/01/03.md

1.6 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Joda dia niteny ireo mpino ny antony nanoratany ity taratasy ity.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny":

Ny teny hoe "isika" ao amin'ity taratasy ity dia mamaritra an'i Joda sy ireo mpino.

Ny famonjena iombonantsika

Ny famonjena izay zaraintsika.

Nanoratra aho

"Mahatsapa tena mafy fa hoe mila manoratra aho" na "Izaho dia nahatsapa fa mila manoratra maika.

Hanosika anareo hiady mafy ho an'ilay finoana

"Mankahery anareo mba hiaro ny fampianarana marina."

Mpino

"Olomasina." ny dikan-teny sasany dia mandika izany ho "ilay masina." Izany dia manome hevitra ny amin'ireo mpino Kristiana izay tsy manisy fironana manokana ny toetrany ara-moraly, fa ny mpino izay natao olomasina amin'ny finoana ny fahafatesan'i Jesosy mba ho famonjena.

Fa ny olona sasany nisisika antsokosoko

"Fa nisy olona sasany tonga teo anivon'ireo mpino nefa tsy nisarika azy ireo hifantoka aminy."

Olona voamarika ho an'ny fanamelohana

Io ihany koa dia afaka atao tso-drafitra. DH: "Olona izay nosafidian'Andriamanitra ho helohina."

Izay manevateva ny fahasoavan'Andriamanitra ho any amin'ny fijejojejoana

Ny fahasoavan'Andriamanitra dia lazaina toy ny hoe zavatra iray izay azo ovaina ho zavatra mahatsiravina. DH: "Izay manova ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fanirian-dratsy" na "izay mampianatra fa ny fahasoavan'Andriamanitra dia mamela ny olona iray hiaina amin'ny fahotana ara-nofo."

Mandà ny Andriana tokana sy Tompontsika, Jesosy Kristy

Mety ho dikany dia izao: 1) izy ireo dia mampianatra fa izy dia tsy Andriamanitra na 2) ireo olona ireo dia tsy mankatoa an'i Jesosy Kristy.