plt_tn/jos/07/08.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Josoa mampiseho fahakivina tamin'Andriamnitra.

inona no azoko lazaina, fa efa niamboho teo anatrehan'ny fahavalon'izy ireo Israely?

Josoa nilaza izany mba hampisehoana hoe hasorenana manao ahoana ny azy fa tsy mbola fantany izay lazaina. D.H: "Tsy haiko izay lazaina. Efa niamboho teo anatrehan'ny fahavalon'izy ireo Israley."

niamboho teo anatrehan'ny fahavalon'izy ireo Israely

Fanaovana izany dia manambara fitsoahana avy amin'ireo fahavalo. D.H: "Israely dia nandositra avy amin'ireo fahavalony"

Hanodidina anay izy ireo ary hampanadino ny anaranay amin'ny olon'ny tany

Fampanadinoina ny olona ny anaran'ny Israelita manambara fampanadinoana ireo Israelita. Amin'izany dia tsy maintsy anao izany izy ireo amin'ny famonoana ireo Israelita. D.H: "Hiodidina anay izy ireo ary hamono anay, ary ny olon'ny tany dia hanadino ny momba anay"

ho an'ny anaranao lehibe

Ny fehezanteny "ny anaranao lehibe" eto dia manambara lazan'Andriamanitra sy hery. D.H: "Noho izany inona no ho ataonao mba hafantaran'olona anao fa ianao dia lehibe"

Ka inona no hataonao ho an'ny anaranao lehibe?

Mampiasa izany fanontaniana izany i Josoa mba hampitandremana an'Andriamanitra raha toa ka rava ireo Israelita, ary ireo vahoaka sasany dia hieritreritra fa Andriamanitra dia tsy lehibe. D.H: "Ary amin'izany dia tsy hisy na inona na inona afahanao manao izany ho an'ny anaranao lehibe." na "Ary ny vahoaka tsy hahafantatra fa Ianao dia lehibe."