plt_tn/jol/03/12.md

1.7 KiB

Fampahafantarana amin'ny anakapobeny:

Manohy ny resany amin'ireo firenena Yaveh.

Aoka hifoha ireo firenena ... ny firenena rehetra manodidina

Ny teny "firenena" sy "ireo firenena manodidina" dia maneho ireo firenena mitovy izay manodidina an'i Joda. Hitsara azy ireo eny amin'ny lohasahan'i Josafata Yaveh ny amin'izay efa nataon'izy ireo tany Jerosalema.

Apetraho ny antsy fijinjana ... feno ny famiazana

Mety midika hoe 1) ny fanafihana eo amin'ny mpanotan'ny firenena dia tahaka fahavokaram-bary sy fipotserana voaloboka, na 2) ny fahamaikan'ny fitsaràna ireo mpanotan'ny firenena tahaka ny fahamaikan'ny fanangonana vokatra matoy sy fipotserana ireo voaloboka.

Apetraho ny antsy fijinjana, fa ny vokatra dia matoy

Miresaka ireo firenena toy ny saham-bokatra izay matoy amin'ny fahavokarana i Yaveh. D.H: "Apetraho ny antsy fijinjana, fa ny firenena dia tahaka ny vokatra matoy."

Apetraho ny antsy fijinjana,

"hasavily ny antsy fijinana anapahana vary."

antsy fijinjana

antsy maranitra be ampiasain'ny olona amin'ny fanapahana vary.

ny vokatra dia matoy

"efa ho vokatra sahady ny vary"

Miavia, potsipotsero ny voaloboka, fa feno ny famiazana

Miresaka ireo firenena toy ny hoe fehezam-boaloboka eny am-pamihazana i Yaveh, vonona ho an'ny olona hipotsitra ireo. D.H: "Miavià, potsero ny firenena, fa tahaka ny voaloboka eny am-pamihazana izy ireo."

Mihoatra ny vata fitatazana, fa ny faharatsian'izy ireo dia goavana."

Miresaka ny faharatsian'ny firenena toy ny hoe ranom-boakazo mikoriana avy amin'ny famihazana makao amin'ny vata izay namindrana izany Yaveh. Ireo vata dia tsy lehibe mahafeno ny isan'ireo habean'ny faharatsiana izay mikoriana ao amin'izany.