plt_tn/jol/02/01.md

1.4 KiB

Famaphafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy tononkalo i Joela izay nanomboka tany amin'ny toko voalohany.

Tsofy ny anjomara ... ampanenoy ny fanairana

Joela manamafy ny lanjan'ny antson'Israely miaraka amin'ny fiomanana ho an'ny fasimbana izay ho avy.

Andron'ny fahamaizinana sy aizim-pito

Ny teny "fahamaizinana" sy "haizim-pito" dia mizara dika mitovy ary manamafy ny hamafin'ny haizina. Ny fitambaran'ireo teny dia maneho ilay fotoan'ny loza na fitsaràna avy amin'Andriamanitra. D.H: "andro iray izay feno fahamaizinana" na "andro iray amin'ny fitsarana mahatsiravina."

aizim-pito

maizina tanteraka na maizina

andron'ny rahona sy aizim-pito

Ity andian-teny dia ity dia midika zavatra mitovy, ary manamafy ny andian-teny teo aloha. Tahaka ity andian-teny ity, "rahona" sy "aizim-pito" mitambatra anehoana ny fitsaran'Andriamanitra. D.H: "andro iray feno aizim-piton'ny kotro-baratrin'ny rahona."

Tahaka ny mangiran-dratsy izay miely eny amin'ireo tendrombohitra, manatona ny tafika lehibe sy matanjaka

D.H: "Tafika lehibe, matanjaka ho avy eo an-tendrombohitra amin'ny tany. Hiely eo amin'ny tany tahaka ny hazavana avy amin'ny fiposahan'ny masoandro izy ireo"

ny tafika lehibe sy matanjaka.

Ny teny "lehibe" sy "matanjaka" dia mizara dika mitovy eto ary manamafy ny herin'ny tafika. D.H: "korontana lehiben'ireo valala" (UDB) na "tafik'olona maro be."