plt_tn/job/39/19.md

1.2 KiB
Raw Permalink Blame History

Fampifandraisana ny foto-kevitra :

Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.

FampahafantaMoa ve nomenao ny heriny ny soavaly?rana aminny Ankapobeny:

Mampiasa ireo fanontaniana telo ireo i Yaveh mba hanamafisany fa i Joba dia tsy tahaka an'i Yaveh satria Joba dia tsy mahafehy ny soavali-dia.

Moa ve nomenao ny heriny ny soavaly?

Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy mbola nanome ny heriny ho an'ny soavaly ianao."

Nampiakanjo ny vozony tamin'ny volony mihofahofa ve ianao?

Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy afaka mampitafy ny vozony amin'ny volony mihofahofa ianao."

Nampiakanjo ny vozony tamin'ny volony mihofahofa

Ny "volon-tsoavaly" dia resahina toy ny hoe fitafiana ho an'ny vozon-tsoavaly. DH: "nanao ny volony handrakotra ny vozony toy ny akanjo"

volony mihofahofa

Ny volo lava izay eo an-tapon'ny vozon-tsoavaly.

Efa nampitsambikina azy tahaka ny valala ve ianao?

Io fanontaniana io dia azo adika ho fanambarana. DH: "Tsy mahavita mampitsambikina azy tahaka ny valala ianao."

valala

karazam-balala izay afaka mitsmbikina tena lavitra sytena haingana.

fiefonefony

Feo mafy avoakan'ny soavaly amin'ny orony.