plt_tn/job/37/18.md

1.6 KiB

Ianao ve afaka mamelatra ny habakabaka ...fitaratra manganohano vita amin'ny vy voarendrika?

Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa i Joba dia tsy afaka manao io zavatra io. DH: "tsy afaka mamelatra ny habakabaka ianao ...fitaratra manganohano vita amin'ny vy voarendrika."

izay mafy toy ny fitaratra manganohano vita amin'ny vy voarendrika

Ny fitaratra dia vita tamin'ny vy. Eliho dia miresaka ny tsy fanomezan'ny habakabaka orana toy ny hoe izany dia bolongam-by mafy.

vy voarendrika

Io dia manondro ny ny vy izay atsonika, araraka ao anaty lasitra, ary mivaingana rehefa mangatsiaka.

Mba ampianaro anay ary izay tokony ho lazainay aminy

Eto, ny teny "anay" sy ny "-nay" dia manondro an'i Eliho, Elifaza, Bildada, ary Zofara, fa tsy i Joba tsy isany. Mampiasa io andian-teny io an'eso i Eliho.

nohon'ny fahamaizinan'ny fisainanay

Eliho dia miresaka ny tsy fahafahana mahatakatra toy ny hoe fananana fahamaizinana ao an-tsaina. DH: "satria tsy mahatakatra izahay"

Tokony hilazana izay tiako lazaina aminy ve Izy?

Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy misy afaka manao izany. DH: "tsy afaka maniraka olona mba hilaza aminy ny faniriako hiresaka aminy aho."

Tokony hilazana

DH: "tokony haniraka olona hiteny aminy"

Misy olona maniry ny ho voatelina ve?

Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy misy olonamaniry ny hitrangan'izany. DH: "Tsy misy olona maniry ny ho voatelina"

ho voatelina

Eliho dia miresaka ny fahapotehan'ny olona toy ny hoe voatelina. DH: "fa hamotika ny olona Andriamanitra"