# Ianao ve afaka mamelatra ny habakabaka ...fitaratra manganohano vita amin'ny vy voarendrika? Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa i Joba dia tsy afaka manao io zavatra io. DH: "tsy afaka mamelatra ny habakabaka ianao ...fitaratra manganohano vita amin'ny vy voarendrika." # izay mafy toy ny fitaratra manganohano vita amin'ny vy voarendrika Ny fitaratra dia vita tamin'ny vy. Eliho dia miresaka ny tsy fanomezan'ny habakabaka orana toy ny hoe izany dia bolongam-by mafy. # vy voarendrika Io dia manondro ny ny vy izay atsonika, araraka ao anaty lasitra, ary mivaingana rehefa mangatsiaka. # Mba ampianaro anay ary izay tokony ho lazainay aminy Eto, ny teny "anay" sy ny "-nay" dia manondro an'i Eliho, Elifaza, Bildada, ary Zofara, fa tsy i Joba tsy isany. Mampiasa io andian-teny io an'eso i Eliho. # nohon'ny fahamaizinan'ny fisainanay Eliho dia miresaka ny tsy fahafahana mahatakatra toy ny hoe fananana fahamaizinana ao an-tsaina. DH: "satria tsy mahatakatra izahay" # Tokony hilazana izay tiako lazaina aminy ve Izy? Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy misy afaka manao izany. DH: "tsy afaka maniraka olona mba hilaza aminy ny faniriako hiresaka aminy aho." # Tokony hilazana DH: "tokony haniraka olona hiteny aminy" # Misy olona maniry ny ho voatelina ve? Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa tsy misy olonamaniry ny hitrangan'izany. DH: "Tsy misy olona maniry ny ho voatelina" # ho voatelina Eliho dia miresaka ny fahapotehan'ny olona toy ny hoe voatelina. DH: "fa hamotika ny olona Andriamanitra"