plt_tn/job/37/16.md

1.2 KiB

Takatrao ve ny fihevahevan'ireo rahona, ireo asa mahagagan'Andriamanitra, izay tonga lafatra amin'ny fahalalana?

Manontany io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisana fa i Joba dia tsy mahalala ireo zavatra ireo. DH: "tsy mahalala ny fihevahevan'ny rahona ianao, ireo asa mahagagan'Andriamanitra, izay tonga lafatra amin'y fahalalana."

fihevahevan'ny rahona

"ny fomba fihevahevan'ny rahona"

ireo asa mahagagan'Andriamanitra

DH: "na mahatakatra ireo asa mahagagan'Andriamanitra" na "ary tsy mahatakatra ireo asa mahagagan'Andriamanitra ianao"

Takatrao ve ny mahatonga ireo akanjonao hafana ...avy any atsimo ny rivotra?

Manontany io fanontaniana fampisainana io i Eliho mba hanamafisana fa i Joba dia tsy mahalala ireo zavatra ireo. DH: "tsy takatrao ny fomba mahatonga ny akanjona hafana ...avy any atsimo ny rivotra."

ny mahatonga ireo akanjonao hafana

"ny mahatonga anao hafana ao anatin'ny akanjona" na "ny mahatonga anao ho tsemboka ao anatin'ny akanjonao"

satria tonga avy any atsimo ny rivotra

Any Israely, ny rivotra mafana dia mitsoka mandalo ny tany efitra avy any atsimo ary miteraka hafanana. DH: "nohon'ny rivotra mafana sy maina mitsoka avy any atsimo"