plt_tn/job/33/29.md

749 B

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho.

Indro

Mampiasa io teny io ho fiteny i Eliho eto mba hisarihana ny fihainoan'i Joba izay holazainy manaraka. DH: "Henoy"

indroa, eny, intelo aza

Io dia fomba fiteny. DH: "hatrany hatrany"

mba hitondra ny fanahiny hiverina avy any an-davaka

Io dia miresaka ny famonjena ny olona amin'ny fahafatesana toy ny hoe efa maty izy ary nentina niverina ho amin'ny fahavelomana. DH: "Mba hihazonana azy tsy ho amin'ny fahafatesana sy tsy ho any an-davaka"

lavaka

Ny toerana izay alehan'ny olona maty dia aseho amin'ny "lavaka." DH: "toerana izay alehan'ny olona maty"

mba ho hazavaina amin'ny fahazavan'aina izy

DH: "Mba ho faly ny fahavelomana hatrany izy"