plt_tn/job/33/16.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho.

manokatra ny sofin'ny olona Andriamanitra

Io dia miresaka ny fampitandreman'Andriamanitra ny olona toy ny hoe manokatra ny sofin'izy ireo Izy mba hahafahan'izy ireo mandre. DH: "ary manambara zavatra amin'ny olona Andriamanitra"

mba hisintonana ny olona hiala amin'ny

Io dia miresaka ny fanakanan'Andriamanitra ny olona tsy hanao zavatra toy ny hoe misintona azy mivantana tsy ho amin'ny ratsy Izy. DH: "mba hanakanana azy tsy ho amin'ny"

Andriamanitra no miaro ny ain'ny olona amin'ny lavaka ... ny ainy tsy hiampita ho any amin'ny fahafatesana

Ireo dia samy fanambarana ary mitovy ny dikany. DH: "Andriamanitra dia mamonjy ny olona amin'ny fasana sy ny fahafatesana"

ny lavaka

Ny toerana alehan'ny olona rehefa maty eto dia tondroina amin'ny "lavaka." DH: "ny toeranaizay misy ny olona maty"

ny ain'ny olona ...ny ainy

Io dia fomba fiteny. DH: "ny olona tsy ho amin'ny fahafatesana ... miaro azy"

tsy hiampita ho any amin'ny fahafatesana

Eto, ny "fahafatesana" dia mampiseho ny toerana izay alehan'ny olona rehefa maty, izay, Fiainan-tsy hita. DH: "tsy ho any amin'ny Fiainan-tsy hita"