plt_tn/job/33/13.md

1021 B

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho.

Nahoana ianao no miady aminy?

Mampiasa io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisany fa tsy tokony miady amin'Andriamanitra i Joba. Io fanontaniana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Tsy tokony miady amin'Andriamanitra ianao" na "tsy tokony miezaka mandresy lahatra an'Andriamanitra ianao"

Tsy manisa na inona na inona amin'izay ataony Izy

"Tsy voatery hanazava amintsika izay ataony rehetra Izy"

miteny indray mandeha Andriamanitra—eny, indroa

Io dia fomba fiteny. DH: "Miteny amin'ny fomba samihafa hatrany hatrany Andriamanitra"

Ao anaty nofy ...ao anaty fahitana amin'ny alina

Ireo andian-teny ireo dia mitovy ny dikany.

rehefa tonga amin'ny olona ny torimaso lalina, rehefa ao anaty faharendrehana eo am-pandriana

Io dia miresaka ny olona ao anaty torimaso lalina toy ny hoe latsaka amin'izy ireo ny torimaso na resin'ny torimaso izy ireo. DH: "Rehefa renoky ny torimasao tanteraka eo am-pandriany ny olona"