# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny: Manohy ny firesahany amin'i Joba i Eliho. # Nahoana ianao no miady aminy? Mampiasa io fanontaniana io i Eliho mba hanamafisany fa tsy tokony miady amin'Andriamanitra i Joba. Io fanontaniana io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "Tsy tokony miady amin'Andriamanitra ianao" na "tsy tokony miezaka mandresy lahatra an'Andriamanitra ianao" # Tsy manisa na inona na inona amin'izay ataony Izy "Tsy voatery hanazava amintsika izay ataony rehetra Izy" # miteny indray mandeha Andriamanitra—eny, indroa Io dia fomba fiteny. DH: "Miteny amin'ny fomba samihafa hatrany hatrany Andriamanitra" # Ao anaty nofy ...ao anaty fahitana amin'ny alina Ireo andian-teny ireo dia mitovy ny dikany. # rehefa tonga amin'ny olona ny torimaso lalina, rehefa ao anaty faharendrehana eo am-pandriana Io dia miresaka ny olona ao anaty torimaso lalina toy ny hoe latsaka amin'izy ireo ny torimaso na resin'ny torimaso izy ireo. DH: "Rehefa renoky ny torimasao tanteraka eo am-pandriany ny olona"