plt_tn/job/33/01.md

926 B

Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny:

Manohy ny fitenenany i Eliho.

mandrenesa ny lahateniko; henoy ny teniko rehetra

Ireo andian-teny ireo dia mitovy ny dikany. Manamafy i Eliho fa tsy maintsy mihaino tsara azy i Joba.

efa manokatra ny vavako aho ...efa miteny tao am-bavako ny lelako

Ireo dia mitovy ny dikany. Manamafy i Eliho fa vonona ny hiteny izy ankehitriny. Ny "lelany" dia mampiseho ny fitenenany. DH: "efa manokatra ny vavako aho ary efa manomboka miteny"

Avy amin'ny fahitsian'ny foko ny teniko

Eto i Eliho dia manondro ny tenany amin'ny alalan'ny "fony" toy ny hoe miteny mahitsy. Ary koa, milaza ny fitenenany toy ny fitenenan'ny "teniny" izy. DH: "Hiteny an-kitsim-po aho" na "hiteny amim-pahamarinana aho"

manambara fahalalana madio ny molotro

Eto, Eliho dia manondro ny tenany amin'ny alalan'ny "molony" mba hanamafisany ny teniny. DH: "Hiteny aminareo an-kitsim-po ny zavatra fantatro aho"