plt_tn/job/26/01.md

1.2 KiB

Endrey ny fanampianao ... ny sandry izay tsy nanana tanjaka!

Amin'ireo fanambarana ireo, Joba dia miampanga an'i Bilodada. Ny teny hoe "izay" dia maondro ny tenany. DH: "tsy manan-kery aho, kanefa ianao manao fihetsika toa hoe manampy ahy_saingy, tsy manampy ahy velively ianao!"

ny sandry izay tsy nanana tanjaka

Mampiasa io andian-teny io i Joba mba hamlaritany ny tenany. DH :"izaho, izay tahaka ny sandry izay tsy manana hery " na "ilay tena marefo"

Endrey ny nanoroanao hevitra ny olona izay tsy manam-pahendrena sy ny nanambaranao fahalalana tsara taminy!

Milaza i Joba fa i Bildada dia tsy manome hevitra na fahalalana tsara ho azy. DH: "Toa manao ahy ho tsy manam-pahendrena ianao ka nanoro hevitra ahy, ka nomenao hevitra tsara aho!"

nanambaranao fahalalana tsara taminy

"nanome hevitra tsara ho azy"

amin'ny fanampian'iza no nitenenanao ireny teny ireny? Fanahin'iza ...taminao?

Manohy ny fanesoana an'i Bildada i Joba ao amin'ireo fanontaniana ireo. Samy fanontaniana fampisainana ireo ary mitovy dika amin'ny ankapobeny. Ampiasaina miaraka ireo mba hifanamafisany. DH: "tena nampiana ianao tamin'ny fitenana ireo teny ireo. Mety ho nisy fanahy nanampy anao niteny azy ireo angamba!"