plt_tn/job/24/01.md

836 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra :

Manohy ny fitenenany i Joba.

Nahoana ny fotoana fitsaràna ireo ratsy fanahy no tsy nataon'ilay Tsitoha?

Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fanahiany fa tsy hitsara ireo ratsy fanahy Andriamanitra. DH: "Tsy azoko ny tsy hametrahan'Andriamanitra fotoana hitsarany ireo olona ratsy fanahy." na "Tokony mametraka fotoana hitsarany ireo olona ratsy fanahy ny Tsitoha."

Nahoana ireo izay mahatoky an'Andriamanitra no tsy mahita ny fahatongavan'ny andron'ny fitsaràny?

Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fanahiany fa tsy mahita ny fitsaran'Andriamanitra ireo olo-marina. DH: "toa tsy hahita Azy mitsara ireo ratsy fanahy mihitsy ireo izay mankatò Azy." na "Tokony hampahafantarin'Andriamanitra ireo izay mahalala Azy ny andro hitsarany ireo izay ratsy fanahy.