# Fampifandraisana ny foto-kevitra : Manohy ny fitenenany i Joba. # Nahoana ny fotoana fitsaràna ireo ratsy fanahy no tsy nataon'ilay Tsitoha? Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fanahiany fa tsy hitsara ireo ratsy fanahy Andriamanitra. DH: "Tsy azoko ny tsy hametrahan'Andriamanitra fotoana hitsarany ireo olona ratsy fanahy." na "Tokony mametraka fotoana hitsarany ireo olona ratsy fanahy ny Tsitoha." # Nahoana ireo izay mahatoky an'Andriamanitra no tsy mahita ny fahatongavan'ny andron'ny fitsaràny? Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hanehoany ny fanahiany fa tsy mahita ny fitsaran'Andriamanitra ireo olo-marina. DH: "toa tsy hahita Azy mitsara ireo ratsy fanahy mihitsy ireo izay mankatò Azy." na "Tokony hampahafantarin'Andriamanitra ireo izay mahalala Azy ny andro hitsarany ireo izay ratsy fanahy.