plt_tn/job/20/28.md

1.2 KiB
Raw Permalink Blame History

Fampahafantarana aminny Ankapobeny:

Ity dia mamarana ny tenin'i Zofara amin'ny Joba.

Hielina

"manjavona" na "lasa"

hikoriana hiala aminy ...ireo fananany

Ny "mikoriana miala" eto dia mampiseho ny fanesorana izany aminy. DH: "Hesorina hiala aminy ny fananany, tahaka ny entana izay mitsingevana eo amin'ny tondra-drano"

ny fananany

" ny hareny"

andron'ny fahatezeran' Andriamanitra

Eto, ny "fahatezerana" dia mampiseho famaizana. Ny anarana "fahatezerana" dia azo aseho amin'ny matoanteny manasazy. DH: "amin'ny andro hanasazian'Andriamanitra ny olona"

Izany no anjaran'ny olona ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra

Eto, ny "anjara avy amin'andriamanitra" dia mampiseho izay noheverin'Andriamanitra hitranga amin'ny tsirairay. Izany dia resahina toy ny hoe zavatra homen'Andriamanitra azy. DH: "Izany no efa voalahatr'Andriamanitra hihatra amin'ny olona ratsy fanahy"

lova voatokana ho azy avy amin'Andriamanitra

Io mampiseho izay nodidian'Andriamanitra hihatra amin'ny olona. Izany dia resahina toy ny hoe zavatra izay homen'Andriamanitra azy tany aloha mba ho lovany. DH: "izay efa nokasain'Andriamanitra homena azy" na "izay nokasain'Andriamanitra hihatra aminy"