# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny: Ity dia mamarana ny tenin'i Zofara amin'ny Joba. # Hielina "manjavona" na "lasa" # hikoriana hiala aminy ...ireo fananany Ny "mikoriana miala" eto dia mampiseho ny fanesorana izany aminy. DH: "Hesorina hiala aminy ny fananany, tahaka ny entana izay mitsingevana eo amin'ny tondra-drano" # ny fananany " ny hareny" # andron'ny fahatezeran' Andriamanitra Eto, ny "fahatezerana" dia mampiseho famaizana. Ny anarana "fahatezerana" dia azo aseho amin'ny matoanteny manasazy. DH: "amin'ny andro hanasazian'Andriamanitra ny olona" # Izany no anjaran'ny olona ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra Eto, ny "anjara avy amin'andriamanitra" dia mampiseho izay noheverin'Andriamanitra hitranga amin'ny tsirairay. Izany dia resahina toy ny hoe zavatra homen'Andriamanitra azy. DH: "Izany no efa voalahatr'Andriamanitra hihatra amin'ny olona ratsy fanahy" # lova voatokana ho azy avy amin'Andriamanitra Io mampiseho izay nodidian'Andriamanitra hihatra amin'ny olona. Izany dia resahina toy ny hoe zavatra izay homen'Andriamanitra azy tany aloha mba ho lovany. DH: "izay efa nokasain'Andriamanitra homena azy" na "izay nokasain'Andriamanitra hihatra aminy"